Very ny tenimiafina?
Mbola tsy mpikambana? Misorata anarana
Fandraisana
Ahoana no fomba filalao? Printy Imailaka

Mety mbola hisy fotoana ihany hanazavana ny fitsipi-dalao amin'ny filalaovana Eseky fa ity fanazavana kely ity dia natao ho an'ny efa mpilalao eseky ka vonona ny hilalao an'izany eto. Ny filalaovana eto amin'ny lalao.serasera.org dia mila mampiasa solonanarana sy tenimiafina serasera.org

Toa izao ary ny fomba filalao.

Ny mora indrindra

Ny mora indrindra dia ny miditra etsy amin'ny fanoroam-pejy hoe Eseky ao ianao dia afaka 

Hanokatra lalao

Raha hanokatra lalao vaovao ianao dia mandehana ao amin'ny fanoroam-pejy Eseky - Hanokatra lalao - Fidio ny loko hoentinao sy ny mpilalao tianao hifanandrina aminao, dia tsindrio ny bokotra.

Rehefa manokatra lalao toa izay ianao dia miandry izay olona hifanandrina aminao. Jerijereo matetika ihany sao dia efa nisy niditra hifanandrina aminao ny mpikambana hafa.

Raha vao miditra ao amin'ny lalao.serasera.org ianao ka mampiditra solonanarana sy tenimiafina dia ho hitanao ery ankavanana ny lalao andraisanao anjara.

Manaiky lalao misokatra 

Rehefa misy manokatra lalao dia azonao ekena iny. Jereo ery ankavanana ireo lalao izay misokatra sy miandry mpifaninana. Tsindrio izay lalao tianao handraisana anjara.

Rehefa avy manaiky ny lalao ny sokatra ianao dia miandry ny hanombohan'ilay namana nanokatra ny lalao. Izy no nanokatra ny lalao ka izy no manao ny hetsika voalohany.

Famindrana "pions" 

Rehefa misokatra ny lalao ka anjaranao ny manakisaka dia misy fomba roa azonao atao hamindrana ny pions.

  • Soratana eo ambany ny dia tokony hatao (ohatra a2-a3)
  • Azonao atao avy hatrany koa ny manindry ny "case" misy an'ilay pion dia avy eo manindry ny "case" tianao haleha.
Rehefa vita izay dia tsindrio ilay bokotra eo ambany

(mbola hitohy)

 
 
Ohabolana androany
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafà ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga (http://ohabolana.org)
Resaka mivantana
Latest Message: 7 minutes ago
  • Vahiny5741 : Ycf8LC FFFIILLUUUSSS2,
  • onjah : Mahafinaritra ravoala a
  • ravoala : misaotra raonjah
  • VahinyVahin : fa toa sarotrarotra
  • VahinyVahin : fa tena somary hafahafa ihany izy zany
  • VahinyVahin : mba mijery ty lalao ty e
  • VahinyVahin : salut
  • VahinyVahin : slt
  • onjah : iza ilay vahiny e ?
  • VahinyVahin : iza le vahiny ao toa tsy hita e !

Smilies?
Vaovao farany
Ny mpamangy
Namana 0 sy vahiny 1
Iza??
Page load : 0.505773067474